Romans 14

1Raiso na izay rehetra malemy amin’ny finoana, aza mitsara momba ny tohan-kevitra. 2Ny olona iray dia manana finoana hihinana na inona na inona, fa ny iray hafa izay malemy dia tsy mihinana afa-tsy legioma.

3Aoka izay mihinana ny zava-drehetra tsy hanamavo izay tsy mihinana ny rehetra; ary izay tsy mihinana ny zava-drehetra kosa tsy hitsara izay hafa mihinana ny rehetra. Fa Andriamanitra efa nanaiky azy. 4Iza moa ianao, ianao izay mitsara ny mpanompon’olon-kafa? Eo anatrehan’ny tompony izy no mijoro na mianjera. Fa hatsangana izy, satria ny Tompo dia afaka manangana azy.

5Ny olona iray dia mihevitra fa misy ny andro tsara nohon’ny rehetra. Ny hafa kosa dia mihevitra fa mitovy ny andro rehetra. Avelao ny tsirairay ho resy lahatra araka ny sainy avy. 6Izay mandinika ny andro, dia mandinika izany ho an’ny Tompo; ary izay mihinana, dia mihinana ho an’ny Tompo, fa misaotra an’Andriamanitra izy. Izay tsy mihinana, dia mifady hanina ho an’ny Tompo, izy ihany koa dia misaotra an’Andriamanitra.

7Fa tsy misy miaina ho an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany. 8Fa raha miaina isika, dia miaina ho an’ny Tompo, ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo. Araka izany na velona isika na maty, dia an’ny Tompo. 9Fa ho amin’izany antony izany no nahafatesan’i Kristy ary nahavelomany indray, mba hahatonga Azy ho sady Tompon’ny maty no Tompon’ny velona.

10Fa ianao, nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary ianao, nahoana ianao no mankahala ny rahalahinao? Fa isika rehetra dia mbola hijoro ho tsaraina eo anatrehan’ny seza fitsaran’Andriamanitra. 11Fa efa voasoratra hoe: “Raha mbola velona koa Aho,” hoy ny Tompo, “dia hiforitra eo anatrehako ny lohalika rehetra, ary ny lela rehetra dia hidera an’Andriamanitra.”

12Noho izany ary, isika tsirairay avy dia hanao tatitra ny tenany eo amin’Andriamanitra. 13Ka, aoka isika tsy hifampitsara intsony, fa kosa hanapaka izao, mba tsy hisy hametraka vato mahatafintohina na fandrika ho an’ny rahalahiny.

14Mahafantatra aho ary resy lahatra ao amin’ny Tompo Jesosy, fa tsy misy tsy madio amin’ny tenany. Fa ho an’izay mandray na inona na inona ho tsy madio ihany, dia tsy madio izany ho azy. 15Satria raha malahelo nohon’ny amin’ny sakafo ny rahalahinao, dia tsy mandeha am-pitiavana intsony ianao. Aza simbaina nohon’ny amin’ny sakafonareo ireo izay namoizan’i Kristy ny ainy.

16Koa aza mamela izay heverinareo ho tsara ho aratsiana. 17Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy momba ny sakafo sy rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.

18Fa izay manompo an’i Kristy araka izany dia ankasitrahan’Andriamanitra sy eken’ny olona. 19Noho izany, aoka isika hanohy ireo zavatry ny fiadanana sy ireo zavatra izay manefy ny tsirairay avy.

20Aza simbaina nohon’ ny amin’ny sakafo ny asan’Andriamantra. Madio tokoa ny zavatra rehetra, fa ratsy ho an’ny olona izay mihinana azy ary mahatonga azy ho tafintohina. 21Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny zavatra rehetra izay mety hanafintohina ny rahalahinao.

22Ny finoana anananao, tehirizo ao aminao sy Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay ekeny. Izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy tamin’ny finoana izany. Ary na inona na inona tsy avy amin’ny finoana dia fahotana.

23

Copyright information for PltULB